Tao anatin’ny 5 andro dia nisedra olana tamin’ny fahatapahan-drano ny mponina teny amin’ny faritra Mahavoky, Andravoahangy, ary Faravohitra.
Araka ny fanazavana voaray, dia zara raha mandeha ny rano amin’ireo faritra ireo ary hijaliana izay fakana rano izay. Voatery milahatra rano any amin’ny paompy ireo mponina. Nilaza ny teo anivon’ny jirama fa efa eo am-pijerena ireo olana amin’izay famatsian-drano izay, izy ireo ary nampanantena fa hivaha tsy ho ela ny famatsian-drano amin’ireo toerana ireo. Nanamafy ny teo anivon’ny JIRAMA, manoloana ny loko manopy mavo amin’ny rano, fa eo am-pijerena mikasika izany koa ireo teknisianina amin’izao. Manoloana io loko mavo io, dia nitondra fanazavana koa ny mpitsabo tao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Nambaran’ny dokotera C., fa tokony hampangotraka rano isan’andro ny olona ary iny no hatao rano fisotro, fa tsy mety raha tonga dia ilay rano avy any amin’ny paompy manopy mavo iny no hosotroina. Hisorohana amin’ny aretin-kibo sy aretina hafa mety hiseho no antony, hoy izy.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.