Sosialy

Mahantra loatra ny Malagasy Mifamotika, tsy mandefa saina lavitra


  • Zoma 06 Septambra 2019

Niteraka adihevitra tany amin’ny tambajotran-tserasera ny fanamarihana voalaza fa nataona teratany Aziatika iray nilaza fa vitsy dia vitsy ny olona mahatakatra lavitra sy kinga saina eto Madagasikara

 

 

ka tafiditra ho anisan’ny ambany ny resaka fahakingan-tsaina na ny « Quotient d’intelligence » afohizina amin’ny hoe « QI ». Voalaza fa  antony mampahantra antsika io satria mahantra fahaiza-miaina sy firaisankina ary simba foto-pisainana ny Malagasy, ka tsy mijery lavitra intsony. Ny karana sy ny frantsay mandeha no mifehy ny harena, mipetraka anaty trano misy « piscine », manana kaonty matevina any amin’ny banky any ivelany fa ny ankabeazan'ny Malagasy kosa mahantra sy tsy tena lasa lavitra,.... satria olom-bitsy ihany no tafavoaka. Fahita eto ny kolontsaina ory hava-manana, fa tsy takona hafenina ihany koa fitiavan-tena. Fantatro tsara ny toetsain'ny malagasy hoy ity ranamana ity, omena vola kely dia vita ny afera eto, tsy misy manara-dalàna izany na ny manampahefana na ny vahoaka madinika, tena hoe baranahana tanteraka. Mora ambakaina loatra ny Malagasy, hoy izy, ka ataon'ny mpanao politika tohatra fiakarana fotsiny. Io izany ilay hoe ny olona no mety ho tena olana fa tsy ny mpanao politika na ny mpitondra. Manana anjara andraikitra goavana ny firaisamonim-pirenena hanabe sy hizara fahalalana amin’ny olompirenena saingy fifidianana sy zon’olombelona ary ny fahalalahana hiteny sy miralenta aloha no tena resahina matetika eto. Zary ambakaina sy hampanofinofisina sisa, raha hidirana kely ny politika, ka maro no voasarika. Mora lalaovina sy tsy mety mandray lesona.  Narodana ny Amiraly Ratsiraka, avy eo hoe avereno ilay iraikalahy taloha. Nihintsana ny Pr zafy Albert. Niverina i deba. Nirodana indray deba. Niakatra I Marc Ravalomanana Nolazaina fa jadona dia naongana ravalo, avy eo hoe avereno I Dada. Taraiky i Andry Rajoelina rehefa nanao ny nataony tao anaty tetezamita, niakatra Rajaonarimampianina dia avy eo hoe miala Rajao. Naverina indray Rajoelina sy ny tetezamitany, dia izao indray hoe hafa ihany Rajao …

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT