Sosialy

Mahamasina Torana ilay mpivarotra nokorontanin’ny polisy


  • Talata 04 Febroary 2020

Renim-pianakaviana iray mpivarotra amoron-dalana eny Mahamasina omaly hariva no torana tsy nahatsiaro tena avy hatrany rehefa naparitaky ny mpitandro ny filaminana ny entany.

 

Mpivarotra karazana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro izy io raha araka ny loharanom-baovao azo. Ankoatra ny adin-tsainy efa mafy amin’ny fitadiavana ireo vola hahafahana mampihodina ny ao an-tokantrano mantsy dia anisan’ny tena nampalahelo ity renim-pianakaviana iray ity, hoy ireo nanatri-maso ny fanaparitahana na fangalana ny entany izay misy vola miodina.  Raha tsiahivina anefa dia efa herinandro maromaro izao no nanala ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalana ny kaominina. Mbola misy ihany anefa ireo minia manampin-tsofina, antony mampasiaka ireo mpitandro ny filaminana. Eo an-daniny dia tokony hanome vahaolana maharitra ihany koa ny kaominina mba hahafahan’izy ireo mivelona, indrindra fa ny fanomezana toerana hahafahany mivarotra isan’andro.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT