Sosialy

Mahamasina Am-polony ireo mpivarotra tsy afaka nivarotra omaly


  • Zoma 25 Martsa 2022

Nisavoritaka ireo mpivarotra tetsy Mahamasina manoloana ny kianja mitafo omaly maraina. Tsy afaka nivarotra namonjy ny toerana mahazatra azy isaky ny andron’ny Alakamisy mantsy ireo mpivarotra lamba miisa 40 teo ho eo

 noho ny fisian’ilay hetsika fizarana fanampiana sy fampidirana anaty fikambanana notanterahin’ny Fitondram-panjakana teny an-toerana, tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy. Nisy tamin’ny 04 ora maraina anefa izy ireo dia efa niala tany an-tokantranony handeha hivarotra omaly toy ireo mipetraka eny Analamahitsy. Vokany, nisy tamin’izy ireo no voatery naverina nody fotsiny. Nisy ihany koa anefa ireo tafajanona ihany saingy tsy maintsy nifindra teny am-pita nifanetinety tamin’ireo mpivarotra namany. Raha araka ny fanazavan’Atoa Andry, anisan’ireo mpivarotra dia tsy manakana velively ny hetsika hataon’ny Fitondram-panjakana tahaka izao izy ireo saingy tokony hisy fampandrenesana mialoha kosa. Ho an-dRtoa Sandra indray izay mbola mpivarotra ihany koa dia anisan’ny tena nampalahelo azy ny fanaovana izao hetsika izao omaly Alakamisy andro tsena. Fa angaha tsy maintsy andro tsena no hanaovana izany hoy izy ? Misy olana angaha hoy hatrany izy raha anio zoma na rahampitso sabotsy izany vao tanterahina ho fitsinjovana ny fahasahiranan’ny vahoaka. Nomarihin’izy ireo moa fa mpivarotra mandoa haban-tsena ara-dalàna amin’ny kaominina izy ireo.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT