Sosialy

MAHAJANGA Zazalahy 20 taona, maty notsindronin’ny mpanendaka ny antsy


  • Alarobia 04 Desambra 2019

Mirongatra ihany koa ny tsy fandriampahalemana ao an-drenivohitr’i Boeny.

 

 

Tovolahy iray 20 taona no maty nisy nanindron’antsy ny faran’ny herinandro teo tao Mangarivotra raha nivoaka kely tsy lavitra ny trano fonenany. Raha araka ny fanazavan’ny renin’ity tovolahy ity dia mbola nipetrapetraka teo an-davarangana ilay zanany lahy tamin’ny 07 ora hariva niaraka tamin’ny namany. Nandeha nanatitra ny namany izy taorian’izay ary tsy niverina intsony. Olona sendra nahita no niantso ireo fianakaviany nahita ilay tovolahy efa nihosin-dra ka nentina namonjy hopitaly avy hatrany. Fotoana vitsy monja anefa dia efa tsy tratra intsony ny ainy ka ny vatana mangatsiakany sisa no nentina nody tao an-trano. Raha araka ny vaovao hatrany dia mpanendaka no nandatsaka ny ain’ity tovolahy ity. Tamin’ny fotoana nanindronany antsy ilay tovolahy io  ihany dia tovolahy roa no efa nosamborin’ny mpitandro ny filaminana teo amin’ilay toerana. Efa mandeha ny fanadihadiana rehetra.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT