Sosialy

Mahajanga Voky valala ny olona omaly


  • Talata 31 Mey 2022

Novangian’ny andiam-balala marobe ny tao Belinta Amborovy omaly folakandro nanomboka tamin’ny 03 ora tany ho any.

 Saika maizina mihitsy ny tanana raha araka ny loharanom-baovao voaray noho izany ka saika nivoaka nifarimbona nisambotra izany avokoa ny isan-tokantrano. Nisy nahazo hatramin’ny 20 kapoaka mihitsy ny sasany, valala izay fantatra fa tafiditra ao anatin’ireo karazany azo hanina raha araka ny vaovao nampitain’ny mponina hatrany. Avy any amin’iny faritra avaratry ny Nosy iny ireto andiam-balala ireto no nisidina hoy hatrany ny vaovao, mitady fambolena azo haripaka sy hohanina. Avy hatrany dia namantana tany an-tanana anefa izy ireo ka noraofin’ny mponina. Na izany aza dia manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra misahana izany ny mponina mba hijery ireto valala ireto. Misy manahy ihany mantsy ny sasany amin’izy ireo fa sao hankarary ny fihinanana azy ireny no sady manimba ny fambolena ihany koa ka ilana fitandremana.
\Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT