Sosialy

Mahajanga Tovolahy 20 taona nanolana zaza 9 taona


  • Alarobia 20 Mey 2020

Tovolahy iray 20 taona no tratra nanolana zazavavy kely vao 9 taona monja tany Tsararano ambony distrikan’i Mahajanga ny sabotsy teo.

 

 

Norahonan’ity tsy mataho-tody ity ho faty ilay zazavavy kely 9 rehefa hitany tamin’ny toerana mangina feno fasana ka tsy sahy nigika. Nanamparan’ity farany ny filan-dratsiny araka izany ilay tsy manan-tsiny ka tany amin’ny fitombenan’ilay zaza no nanaovany izany. Nanam-bitana anefa ilay zaza ka nisy nahita ihany saingy tafatsoaka ilay mpanao ratsy. Nentina haingana tany amin’ny mpitsabo ilay zaza noho izany raha ireto nanatri-maso kosa no nijoro vavolombelona sy nanamarina fa voaholana ilay zaza. Tany Marovoay moa ilay tsy mataho-tody no tratra raha omaly kosa no niakatra fampanoavana. Inoana araka izany fa havesatra tokoa ny sazy hiandry azy.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT