Sosialy

Mahajanga sy Fianarantsoa Nahazo fanampiana ireo mpianatry ny oniversite


  • Alatsinainy 30 Martsa 2020

Tsy teo an-drenivohitra ihany fa dia nahazo ny anjarany tamin` ny “vatsy Tsinjo” na ny tohana ara-tsosialy ihany koa ireo mpianatra mipetraka eny amin'ny oniversite Mahajanga sy Fianarantsoa.

 

Misy ireo nody namonjy ny fianakaviany, misy ireo mpianatra lavi-podiana manomana fanadinana. Tsy nanadino ireo mpianatra mipetraka eny amin'ny oniversite ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika, tarihin’i Pr Assoumacou Elia Beatrice, amin'izao fotoan-tsarotra diavin'ny firenena izao. Nisitraka izany ireo mpianatra ao amin'ny oniversiten’i Mahajanga ny 27 martsa 2020, nahitana vary, menaka sy voamaina. Nisitraka izany koa ireo mpianatra any amin'ny faritra samihafa toy ireo ao amin'ny oniversiten’i Fianarantsoa. Tsara ny tetikasa saingy raha teto an-drenivohitra dia niteraka resa-be ny fizarana ho an` ireo mpanasa lamba, ny tsy an'asa marobe tsy tambo isaina… Tany Ambohibao, zokiolona miisa 15 monja no nahazo ny vatsy fa ny ambiny dia nalefa nody. Fokontany maro no nahenoina fitarainana momba izany.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT