Sosialy

Mahajanga Nitokona ireo mpirotra trondro


  • Alarobia 12 Oktobra 2022

Nitokona vao maraina omaly ireo mpivarotra trondro ao Mahajanga. Noravan’ireo polisy monisipaly tamin'ny 3 ora maraina mantsy ny toeram-pivarotan'izy ireo.

Maro tamin’ireo mpivarotra noho izany no tezitra mafy noho ny fikitikitihana ny velon-tenany izay tsy nisy fampiomanana akory. Nisy ny fihaonan’ny tompon’andraikitra tamin’izy ireo araka izany ka nitohy hatramin’ny omaly hariva ny fihaonana nentina nitadiavam-bahaolana. Nisy araka izany ny tapaka ho marimaritra iraisana niarahana tamin'ireo solontenany mpivarotra. Tsy ho tafiditra ao amin'ny bazary fitim avokoa mantsy ny mpivaro-trondro rehetra. Mbola misy toerana malalaka hafa afaka hampidirana azy ireo eny amin'ny bazary Tsaramandroso sy Marolaka. Hizara telo araka izany izy ireo. Nifanaraka ny roa tonta fa tsy azo atao intsony ny mivarotra trondro amin'ny côté bain douche noho ny lafiny ara-teknika izay mety hitera-doza. Lohalaharana amin’izany ny lafiny ara-pahasalamana ary ny lafin’ny fifamoivoizana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT