Sosialy

Mahajanga Mila tsy ho taka-bidy intsony ny legioma


  • Zoma 27 Janoary 2023

Mila tsy ho azo vidiana intsony ny legioma ao Mahajanga ao. Misy mivarotra 7.000 Ariary ny kilaon'ny karaoty,

6.000Ar ny an'ny ovy raha tafiakatra 11.000 Ariary kosa ny 1 kilao amin'ny haricots verts ao amin'ny Bazarin'i Tsaramandroso ao . Omaly maraina no tena nahitana taratra io fiakaram-bidy io. Raha araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana moa dia tsy ny legioma ihany no nahitana fitomboana ny vidiny eny an-tsena fa eo ihany koa ny hena sy ny vary izay tafiakatra 1.000 Ariary ny kapoaka, eo ihany koa ny voatabia izay efa lasa 700 Ar ny singany iray ary efa mahatratra 1000 Ariary izany amin'ireo mpivarotra sasany. Mitaraina amin'ny fanararaotana hataon'ireo mpivarotra eny an-tsena vokatr'izany ireo mpanjifa rehetra any an-toerana. Manao antso avo amin’ny Foibe fandrindrana ny Varotra any amin'ny faritra Boeny noho izany ireo mpanjifa hijerena akaiky izao fidangan'ny vidin-javatra eny anivon'ny tsena izao.
Pati
(Sary tahiry)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT