MAHAJANGA 1104 voan’ny VIH

SIDA, tsy hita ny 400


  • Alakamisy 26 Desambra 2019

Miisa 1.104 ireo olona fantatra fa mitondra ny otrik’aretina Vih/SIDA ao Mahajanga. Misy amin’izy ireo no mbola tanora vao herotrerony

 

tokoa raha misy ihany koa ireo efa lehibe saingy ireo eo anelanelan’ny 30 ka hatramin’ny 45 taona  no betsaka. Tsy hita manaraka fitsaboana intsony anefa ny 400 amin’izy ireo raha ny vaovao voaray  avy amin’ny lehiben’ny tobim-pitsaboana miankina amin’ny fanjakana iray any an-toerana. Efa nihinam-panafody anefa izy ireo ary raha mahavita  ny manohy izany hatramin’ny farany izay marihina fa tsy handoavam-bola dia tokony ho sitrana soa aman-tsara. Manoloana io tranga io dia fantatra fa hanova paikady amin’ny fandraisana an-tanana ireo olona mitondra ny otrik’aretina Vih/ SIDA ny komitim-pirenena miady amin’izany. Hotohizana hatrany ny  fanaovana fitiliana ho an’ny  tsirairay, indrindra fa ho an’ireo vehivavy bevohoka. Izay olona fantatra fa lasibatry ny aretina dia arahi-maso avokoa ireo olona akaiky azy toy ny fianakaviany sy ny olon-tiany na ny vadiny  hahafahana misoroka ny aretina tsy hifindra. Nandritra ny atrikasa notanterahin’ny komitim-pirenena miady amin’ny aretina SIDA tany an-toerana ny fiandohan’ny herinandro teo  no nahafantarana izany. Ho an’ny faritra Sofia manokana dia fantatra fa olona miisa 200 no mitondra ny otrik’aretina Vih/SIDA.

 

Patty

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT