Sosialy

Mahabo Ambohidratrimo Hatao fitaratra amin’ny fanampiana ireo zanaky ny tantsaha


  • Alarobia 15 Janoary 2020

Hatao fitaratra amin’ny fanohanana ireo ankizy zanaka tantsaha ny kaominina Mahabo, distrikan’Ambohidratrimo.

 

 

 

 

Tsy avela hijanona ao amin’ny taona voalohany sy faharoa toy ny teo aloha  intsony izy ireo ka  tsy hidanaka fotsiny  rehefa mahita ny fivoaran’ny hafa fa ezahina hahavita hatrany amin’ny taona famaranana hahazoany ny mari-pahaizana Bakalôrea. Amin’ny alalan’ny fananganana EPP sy CEG ary LISEA isaky ny fokontany na kaominina no hanatanterahana izany, hoy ny Ben’ny tanàna voafidy any an-toerana sady filoha tale jeneralin’ny toeram-pampianarana ambony Imgam. Rehefa  mahazo ny mari-pahaizana Bakalôrea ireo ankizy mpianatra dia hampianariny maimaimpoana ao amin’ity sekoly ambony iray  ity ary omeny torohevitra mba hamboly tongolo ao Mahabo ireo Ray aman-dreniny. Rehefa tena mahavokatra izy ireo, hoy hatrany Rakotoson Martin dia afaka manofa trano eto an-drenivohitra amin’izay ary mandoa saram-pianarana ara-dalàna. Hiitatra hatrany ny fifanohanana ka rehefa tena vonona ny handroso ireo mpianatra dia afaka mindram-bola ao amin’ny BGFI amin’ny alalan’ny Imgam hanaovany asa fandraharahana.  Nomarihiny fa izao no hatao dia hanovana endrika ny politika eto amintsika hanosehana ny madinika hanana ny anjara masoandrony.

Pati sy Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT