Magro Behoririka

Nisokatra ofisialy omaly, hiitatatra amin'ireo hafa


  • Zoma 03 Aprily 2026

Nosokafana omaly maraina ny

MAGRO BEHORIRIKA. Nisy ny fotoam-bavaka notanterahan'ireo mpiasa ho fanomboana izany ho fangataham-pitahiana amin'Andriamanitra. "Manome lanja ny vita malagasy ny Magro", hoy i Maika Ravalomanana, zanaka faralahin'ny Filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana sady Filoha mpanorina Vondron'orinasa Tiko. "Miara-miasa mpamatsy rehetra izahay, ary an-dalana ny fanokafana ny any amin'ny faritra eto Madagasikara . Eo ambany fitahian'Andriamanitra sy finoana no hanatanterahana ny asa", hoy hatrany i Maika Ravalomanana. Anisan'ireo orinasan'ny Filoha teo aloha lasibatry ny krizy ny taona 2009 ny Magro, nisy ny fifandroritana teo amin'ny Fanjakana notarihin'i Andry Rajoelina in-droa miantoana na ny HAT io izy efa voafidy taty aoriana, ny Fanjakana HVM notarihin'i Hery Rajaonarimampianina,... tamin'ny fanokafana azy. Nisy fotoana nisokatra kely ihany ny Magro tany amin'ny 2016 fa avy eo nikatona noho ny voalaza fa olana ara-ketra 71 miliara Ar. Nifandroritana teny ny resaka hetra,... Tonga hatramin'ny fitakian'ny Vondron'orinasa Tiko fanonerana 1461 milia Ar (réparation et indemnisation) araka ny tondrozotra nifanarahana taorian'ny raharaha 2009. Napetraka tamin'ny CFM (Conseil du Fampihavanana Malagasy) ny taratasy milaza an'io ny septambra 2020. Misokatra ofisialy izany ny Magro, raha toa ka efa tao anatin'ny fotoana naharitra no nahitana vokatra Tiko teny amin'ny tsena, izay midika fa misy izany ny famokarana ataon'ny orinasa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT