Tsy voasoratra ara-dalàna ao amin’ny CNaPS sy amina ivontoeram-piahiana ara-pahasalamana tahaka ny OSTIE araka ny tondron’ny lalàna ny zavatra hitan’ireo teknisianina avy amin’ny minisiteran’ny asa sy ny asam-panjakana niaraka tamin’ny solontenan’ny CNaPS teny Behoririka omaly.
Nody fanina, tsy miteny tsy mivolana ireo mpampiasa Sinoa, nisy ireo nilaza fa tsy mahalala ny lalàna momba ny asa eto.15 ny trano fivarotana notsirihana, tsy voasoratra CNaPS sy OSTIE ny ankamaroan’ny mpiasa ao. Sarotra ny mahita asa koa dia mihafy izahay, hoy ireo mpiasa. Nambaran’izy ireo aza fa tena mampalahelo satria roahan’ireo Sinoa avy hatrany izay vehivavy bevohoka. Tsy maintsy karohana ny vahaolana mba hahazoana ny vaovao tena marina, hoy ny minisiteran’ny asa sy ny asam-panjakana. Fanentanana no atao ato anatin’ny 3 volana fa tsy sanatria fampitahorana, hoy hatrany ny fanazavana saingy tsy maintsy soratana amin’ny CNaPS sy ny OSTIE kosa anefa ireo mpiasa. Nomena 20 andro mba hanaovany izany ireto trano fivarotana tsy manara-dalàna eny Behoririka ireto.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.