Mafana ny toe-draharaham-pirenena

Ho ahemotra amin’ny fotoana manaraka ny tetikasa «Tazana»


  • Talata 09 Aprily 2024

Ny 12 aprily izao no nikasana hanatontosana ilay tetikasa «Tazana»

eny amin’ny Espace Tazana Alasora izay iarahanay sy ny Antso fiarahamonina Kristianina na AFK mikarakara ary mitondra ny lohahevitra hoe «Manao ahoana ny fahitanao ny hoavin’i Madagasikara, hamirapiratra ve sa tsy misy antenaina?», hoy ny antoko politika Natiora omaly. Ny tanjona moa dia ny hoe mba hitovian’ny malagasy fijery, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mihari-Ni-Rencho. Miisa 50 eo ireo nasaina. Nisy moa ireo nilaza fa ho avy. Nisy ny niala tsiny mialoha fa tsy afaka. Efa nahazo ny fanasana ny 90%. Nilaza ny ankamaroany fa tena mety ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny tetikasa. Efa vitavita daholo ny fanomanana rehetra. Efa vonona izahay saingy isika nefa moa ankehitriny akatoky ny fifidianana solombavambahoaka. Mafana dia mafana koa ny toe-draharaham-pirenena amin’izao manakaiky fifidianana izao. Rehefa nivory izahay mpikambana anatin’ny antoko Natiora ary nifampizara ny antony rehetra na ny antony avy aty amin’ny mpitandro filaminana io ary ho fitandroana ny filaminana noho ny toe-draharaha mafana, akatoky ny fifidianana koa ary noho ny antony izay tsy ho lazaina eto dia nanapa-kevitra izahay fa ho ajanona aloha io hetsika saika ho atao ny 12 aprily io. Ho ahemotra amin’ny fotoana manaraka kosa, hoy hatrany ny fanambarana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT