Sosialy

Madagasikara Tsy fantatra mazava ny isan’ireo manana fahasembanana


  • Alarobia 24 Novambra 2021

Hofantarina manomboka izao ny tena isan’ireo olona manana fahasembanana eto amintsika hahafahana manampy azy ireny ka hahatonga azy ho afaka

 handray anjara amin’ny asa fampandrosoana ny firenena fa tsy sanatria ho vesatra foana ho an’ny ankohonany. Fantatra izany omaly nandritra ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Instat izay nisoloan’ny tale jeneraliny tena Atoa Isahora Zefania sy ny vovonan’ny federasiona mandray an-tanana ireo olona manana fahasembanana eto Madagasikara na ny PFPH-MAD. Ny global disability inclusion no mamatsy vola ny asa izay hanomboka tsy ho ela ny fanatanterahana azy. Nivoitra nandritra ny fihaonan’ny roa tonta fa mbola tsy tena manana ny isan’ireo olona manana manerana ny Nosy marina isika eto Madagasikara. Tsy mitsaha-mitombo mantsy izy ireny ary tokony hotohanana sy hampiana fa tsy sanatria afenina any an-tokantrano any fotsiny. Tanjona ny hahatonga azy ireny tsy hisy ho tavela na dia iray monja aza.
Pati
Legende : Nandritra ny fifanaovan-tsonia notanterahin’ny roa tonta omaly teny Behoririka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT