Madagasikara

Tena mbola mitoetra be ny tsy fanjarian-tsakafo lalina


  • Alarobia 24 Aprily 2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

fanjariantsakafo hoy i RAOBELINA Holy, « nutritionniste » sy tomponandraikitry ny fanjariantsakafo eo anivon’ny FAO. Raha ny eto Madagasikara manokana dia mbola mitoetra be ny tsy fanjarian-tsakafo lalina hoy Charles Boliko, solotenan’ny FAO eto Madagasikara. Faritra roa isany tany mamokatra saingy ahitana tahana tsy fanjarian-tsakafo ambony ny faritra Vakinankaratra sy Itasy raha ny nambarany. Mbola maro ireo faritra tokony hiasana be amin’ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo raha ny fanazavana hatrany. Zavatra azo atao tsara hoy ity solotenan’ny FAO ity raha misy ny fiaraha-mientan’ny rehetra. Nisy moa ny atrikasa mahakasika ny fitadiavana vahaolana hiadiana amin’ny tsy fanjariantsakafo, fijerena ireo soson-kevitra momba ny sakafo ary atrikasa hanatsarana ny tontolon’ny fanjariantsakafo notanterahan’ny FAO anio tetsy amin’ny Carlton Anosy. Kendrena ao anatin’izany ny hamolavola sy hanangona ireo soson-kevitra ho entina manatsara ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara.
Lalaina RAV
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT