Sosialy

Madagasikara Tanora 4 tapitrisa no tsy an’asa


  • Zoma 13 Septambra 2019

Miisa 500 ireo tanora nahazo asa teo no ho eo nandritra ny andiany voalohany tamin'ny hetsika seraben'ny asa natao teto Antananarivo tamin'ny volana jona teo.

 

 

 Tsy mijanona eo amin'ny resaka tolotr'asa fotsiny fa misy ny fampiofanana an'ireo tanora amin'ny famoronana tetikasa miaraka amin'ny rantsan'ny firenena mikambana momba ny asa na ny OIT, ny minisiteran'ny asa sy ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy ny hetsika manaraka hatao any Toamasina ny 25 sy 26 oktobra ho avy izao. Miisa 4 tapitrisa ny tanora malagasy tsy an'asa, ka tanora latsaky ny 25 taona avokoa ny 70% amin'izany raha ny antontan'isa nomen'ny minisiteran'ny asa. Ny 70%-n'ny tanora kosa dia miasa eo amin'ny sehatra tsy manara-penitra avokoa eto Madagasikara ary miasa tsizarizary raha ny antontanisa nomena hatrany. Araka izany dia olana voalohany mianjady amin'ny tanora malagasy ny tsy fisian'asa. Isan'ireo paikady hamahàna ny olan'ny tsy fananana asa ny fampihaonana ny mpisehatra rehetra eo amin'ny tontolon'ny asa tahaka ny mpampiasa, ireo tambajotra mpanome tolotra asa, indrindra ireo mpitady asa. Izany no antony hanohizana ny hetsika seraben’ny asa ka hatao any Toamasina indray ary ny andiany faharoa.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT