Sosialy

Madagasikara sy Afrika Atsimo Miara-miasa hanohitra ny Coronavirus


  • Talata 10 Martsa 2020

Nitsidika ara-pomba fifanajàna ny Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, omaly ny Ambasadaoro vaovaon’i Afrika Atsimo izay hiasa eto Madagasikara dia Atoa Sisa Ngombane,

 

 

ary notronin’ny Sekretera voalohany miandraikitra ny lafiny politika eo anivon’izany masoivoho izany.Ankoatra ny fampahafantaran’ity diplaomaty ny momba azy, dia niompana tamin’ny fijerena ireo zava-dehibe manamarika ny fifandraisan’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta, toy ny mahazatra, ny fihaonana voalohany toy izao. Mazava ho azy fa ny fandinihana ny resaka fampandrosoana no tohin’izany, izay nahafahana rahateo nijery ao anatin’ny fiaraha-miasa, ny fomba hanatanterahana ny laharam-pahamehana napetraky ny governemanta.Nanambara ny Ambasadaoro fa voarainy avokoa ny momba ireo ezaka sy dingana nataon’i Madagasikara amin’ny lafiny fandriampahalemana sy fahasalamam-bahoaka, ary notsipihiny fa voaresaka tao anaty fihaonana ny mikasika ireo fepetra efa norasina hifehezana ny Corona virus raha sanatria ka tafiditra Madagasikara izany otrikaretina izany.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT