Sosialy

Madagasikara Olona 8300 isan-taona no matin’ny sigara


  • Alarobia 01 Jona 2022

Fomba fiaina tsy voafehy mety hahafaty ny fifohana sy fandraisana sigara. Ankoatra ny homamiadan’ny ativava, ny vavony ary ny tsinay mety aterany mantsy rehefa tena be loatra dia mitarika amin’ny fandraisana zava-mahadomelina

 ihany koa ny fihinanana azy ireny indrindra fa ho an’ny tanora. Ho antsika eto Madagasikara dia mahatratra 8300 isan-taona ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny fifohana sigara raha mahatratra ny 8 tapitrisa isan-taona izany maneran-tany. Tena betsaka io tarehimarika io raha araka ny fanadihadiana natao hatrany. Mitombo tsy an-kiato mantsy ireo olona mifoka sigara eto amintsika. Ho an’ny tanora manokana indrindra fa ny zazalahy kely dia tafakatra 10 % ny tahan’izy ireny manjifa izany ho an’ireo 13 ka hatramin’ny 15 taona. Ho an’ny lehilahy lehibe kosa dia mahatratra 38% eo ho eo ny fanjifan’izy ireo ny sigara raha 14% ny an’ny vehivavy. Nankalazaina omaly 31 mey ny andro manerantany iadiana amin’ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky. Nisy ny hetsika fanentanana nentina nanamarihana izany tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Mikasika ny voly paraky manokana dia fantatra fa 3,5 tapitrisa isan-taona ny tany simba vokatry ny fambolena azy ireny raha mahatratra 600 tapitrisa isan-taona ny hazo tapaka amin’ny fanamboarana sigara. Rano 22 miliara litatra ihany koa no fantatra fa very.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT