Olona 2 amin’ny 3 no mbola manao maloto an-kalamanjana eto Madagasikara.
Any amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana no manana taha ambony indrindra amin’izany raha mbola betsaka ihany koa ny eto an-drenivohitra. Tsy manana trano fivoahana ohatra ny 40 %-n’ny mponina ao Anosipatrana, kaominina Antananarivo Renivohitra. Hataon’izy ireo amin’ny sachet plastika izany dia ariany eny rehetra eny na koa hataony amin’ny zavatra ka hampanarahina rano mandeha. Miteraka aretina marobe tsy tambo isaina anefa ny fiparitahan’ny maloto eny rehetra eny, indrindra fa ho an’ireo ankizy latsaky ny dimy. Manoloana izany tranga izany dia nanatanteraka fanentanana tao amin’ity fokontany iray ity ny firaisa-monim-pirenena HINA. Anisan’ny nampianarina sy natoro ny mponina ny amin’ny tokony hananan’ny isan-tokantrano trano fivoahana arahin’ny fanasana tanana hatrany aorian’ny fanaovana maloto. Natoro azy ireo ihany koa ny fomba fikarakarana sakafo ara-pahasalamana, indrindra fa ho an’ireo mitaiza kely. Sakafo maro loko miisa fito isan’andro no tokony hohanina ary tsy voatery handaniana volabe fa izay vokatra misy eo an-toerana ihany no hampiasaina. Izany no natao moa dia mba hahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay mbola mahazo ny 46%-n’ireo ankizy madinika manerana ny Nosy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.