Sosialy

Madagasikara Ny 27% n’ireo zaza tsy ampy taona no miasa


  • Alatsinainy 14 Jona 2021

Ny 27%-n’ireo zaza tsy ampy taona 5 ka hatramin’ny 17 taona no fantatra fa efa misehatra eo amin’ny tontolon’ny asa sahady eto amintsika.

 

 

 Ankoatra ny asa fikapoham-bato dia tsy vitsy ireo efa mivelona amin’ny tsaka rano, amin’ny asa fivarotana enta-madinika maro isan-karazany raha tsy lazaina intsony ireo terena hangataka ho fandraisany anjara amin’ny fampandehanana ny fiainana ao an-tokantrano. Ho an’ireto farany manokana dia mitombo isa isan’andro izy ireny ary tsy misy toerana izay tsy ahitana azy. Nankalazaina ny Sabotsy 12 Jona teo ny andro maneran-tany iadiana amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Nisy araka izany ny atrikasa hampitain-davitra nokarakarain’ny Ministeran’ny Asa sy ny asam-panjakana, notronin’ny UNICEF sy ny PNUD ary ny OIT. Nivoitra nandritra izany ny fitadiavan’ny roa tonta paikady hahafahana mampihena ny tahan’ireo zaza tsy ampy taona misehatra amin’ny tontolon’ny asa sahady tao anatin’ilay lohahevitra hoe : Andao foanana dieny izao ankehitriny izao ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Tsiahivina moa fa ny 31%-n’ireo zaza tsy ampy taona efa miasa eto amintsika dia eny anivon’ny tontolo ambanivohitra ambanivohitra avokoa raha eny an-tanan-dehibe ny 11%.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT