MADAGASIKARA

Misy asa 3 tsotra kanefa tsara karama


  • Talata 28 Janoary 2025

Karohina fatratra amin’izao ny asa tsotra nefa tsara karama eto Madagasikara.

Ny mba hahafahana miatrika amim-pitoniana ny fiainana no anton’izany. Tena misy tokoa izy io raha araka ny fanadihadiana natao. Na izany aza anefa dia mila fahazotoana sy paikady mipetrapetraka tsara izany mba hahazoana tombony tsara isam-bolana. Lohalaharana amin’ireny ny « vente en ligne » na ny « E-commerce ». Tontosaina amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera Facebook ny varotra, ny Instagram na WhatsApp ka hitarina tsikelikely. Tsy mitaky volabe ny fanombohana io asa io toy ny fivarotana akanjo sy kojakoja ohatra na koa karazan-tsakafo. Ny fahaizana mampiresaka sy mandresy lahatra olona arahin’ny fampisalorana sary manaitra no hahafahana misintona mpanjifa amin’ity asa iray ity. Mety hahazoana 400.000 ka hatramin’ny 1.000.000 Ar isam-bolana izy io raha kely. Mety koa ary hahazoana vola ny fiambenana sy fitaizana zaza na mampianatra ankizy any an-tokantranony. Mety ary idealy ho an’ny olona tia sy mahay miara-miasa amin’ny ankizy ity asa faharoa ity. Ampiana amin’ny fanaovana ny enti-modiny izy ireny ohatra raha arahi-maso ihany koa ireo efa lehibebe mandritra ny fotoana hiasan’ny Ray aman-dReniny ka tsy maha ao an-tokantrano ireto farany. Ny fifampitokisana no tena zava-dehibe amin’ity farany indrindra manoloana ny hala-jaza sy ny fakana an-keriny ankizy. Mety hahazoana 300.000 ka hatramin’ny 800.000 Ar isam-bolana ity asa faharoa ity. Farany izay tsy kely akory dia fikarakarana sakafo ary ny mivarotra izany na street food ahitana ny mofogasy, sambosa, masikita…. izay tadiavin’ny olona hatrany. Ny fahaizana mijery sy misafidy toerana no tena zava-dehibe amin’ity farany toy ny eny akaikin’ny tsena, sekoly… Tsy maintsy sakafo vaovao sy matsiro kosa anefa no hamidy ary zakan’ny fahefa-mividin’ny daholobe. Mety hahazoana 500.000 ka hatramin’ny 1.200.000 Ar isam-bolana ity asa fahatelo ity.
Pati Legende : Ny varotra sakafo masaka tahaka izao no tena mandeha !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT