Sosialy

Madagasikara Mbola tena tsy voahaja ilay “asa mendrika”


  • Zoma 04 Oktobra 2019

Mbola lavitr’ilay “ asa mendrika” isika eto Madagasikara. Raha araka ny fanazavan-dRakotomanga Barison, sekretera jeneraly eo anivon’ny sendika mivondrona ao amin’ny Industriall Union Building

 

 

Madagascar  dia mbola mikarama latsaky ny 2 dôlara isan’andro isan’olona isika Malagasy na 7.444 Ar mahery kely isan’andro nefa  efa vidiana 500 Ar ny kapoakam-bary ankehitriny. Nankalaza ny andro maneran-tany ho an’ny asa mendrika ity sendikaly iray ity omaly narahin’ny fanentanana ny mpiarabelona amin’ny ady hatao amin’ny doro tanety sy ny hankatoavan’ny fanjakana ilay lalàna momba ny fiarovana ireo mpitrandraka harena ankibon’ny tany izay mpiasa Malagasy mila fiarovana ihany koa. Nambarany fa mbola betsaka ny lesoka tokony harenina momba ny asa eto amintsika. Anisan’ireny ny karama raisin’ireo olona ao amin’ny sokajy M1 sy M2 izay 1.000 Ar fotsiny no elanelany. Tokony hojeren’ny fitondram-panjakana izany, indrindra ireo orinasa minia tsy manara-dalàna eny fa na dia ny fampiharana ilay karama farany ambany 200.000 Ar aza, hoy izy. Filaharambe niainga teny anosy nihazo an’Antaninarenina no nanamarihan’izy ireo ny hetsika omaly.

Pati

Legende : Barison Rakotomanga, sekreteran jeneraly eo anivon’ny sendikaly mivondrona ao amin’ny Industriall Union Building Madagascar

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT