Sosialy

Madagasikara Mbola tena manankarena vorona


  • Alakamisy 03 Oktobra 2019

Firenena manan-karena vorona isika eto Madagasikara. Raha araka ny fanazavan’ny profesora Hajanirina Rakotomanana omaly mantsy dia

 

 mahatratra 283 karazana izy ireo ka ny 53 %-amin’ireo dia eto amintsika ihany no ahitana azy. Tao anatin’ny 30 taona katroka no nanaovany sy Raveloson Bruno A mpaka sary ireo vorona ity fanadihadiana ity ka ny tanjon’izy ireo amin’izany dia mba hisarihana ny ankizy sy ny tanora Malagasy ho tia vorona fa tsy hamonovono fahatany azy ireny, ankoatra ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany hahafahana mampandroso ny firenena. Mitondra voka-tsoa maro ny vorona raha araka ny fanazavany hatrany. Mamboly hazo amin’ny alalan’ny fanapariahana ny voa ihany koa mantsy izy ireny ankoatra ny famonoany ireo karazam-biby mpanimba voly. Navondron’izy ireo anaty boky iray izany hatsarana entin’ny vorona sy ny karazany izany ka namoahan’izy ireo ilay boky antsoina hoe : Ny vorontsika. Omaly no nampahafantarina izany tetsy amin’ny DLC Anosy, notohanan’ny “Madagascar Birding Association” sy ireo karazana fikambanana maro samihafa.

Pati

Legende : Nandritra ny fampahafantarana ilay boky  Ny vorontsika tetsy amin’ny DLC Anosy, omaly

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT