Madagasikara

Mbola misy ny fanondranana olona amin’ny endriny maro


  • Alakamisy 20 Jona 2024

Niroso tamin’ny fanasoniavana ny fehikevi-pifanarahana mba hanamafisana ny ezaka

amin’ny ady amin’ny fanondranan’olona avy eto Madagasikara ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) sy ny Birao Nasionaly miady amin'ny Fivarotan'olona na ny BNLTEH (Bureau National de lutte contre la Traite des Etres Humains) ny andron’ny omaly. Ny tanjona dia ny hampahafantarana sy hanabeazana ny mpiasan'ny seranam-piaramanidina sy ny mpandeha momba ny halehibeny, ny fisehony ary ny loza aterak’io zava-doza ho an’izao tontolo izao io, mba hahafahan'ny tsirairay mahatakatra ny famantarana mialoha sy ho mailo, hoy ny tatitra. Ny fiaraha-miasa eo amin'ny ACM sy ny BNLTEH dia mikendry ihany koa ny hanamafy ny fahaizan'ny mpisehatra samihafa hahita, hisoroka ary hiady amin'ny fivarotan'olona amin'ny fomba mahomby. Ao anatin'izany, hisy hetsika voakasika hotanterahina eny amin'ny seranam-piaramanidina, raha ny fanamarihana. Raha ny fikarohana tsotsotra natao, misy endrika maromaro ny fivarotan'olona mivantana na ankolaka avy eto Madagasikara. Anisan'izany ny fandefasana azy ireo any ivelany hohararaotina ara-nofo, ny asa an-terivozona ary ny fanondranana ankizy. Mora iharan'ny fanararaotana ara-nofo ny vehivavy sy ny ankizy malagasy, na eto an-toerana na any ivelany. Matetika ny tambajotran'ny mpivarotra olona dia maka ny olona ampiasainy amin'ny fampanantenana asa ara-dalàna, saingy avy eo anararaotany amin'ny toe-javatra tsy manaja ny maha-olona. Mety ho terena hiasa amin'ny toe-javatra tena mafy sy sarotra, fa tsy araka ny nampanantenaina. Matetika ny ankizy no iharan'ny fanondranana ho an'ny fananganan-jaza tsy ara-dalàna na fanambadiana an-terivozona. Madagasikara ihany koa dia voasokajy ho loharano, toerana fiampitana ary toerana alehan'ny olona iharan'ny fivarotan'olona iraisam-pirenena. Indraindray alefa any amin'ny firenena any Moyen-Orient, Azia ary Afrika ny olona Malagasy, izay iharan'ny asa an-terivozona na fanararaotana ara-nofo amin'ny toe-javatra tsy manaja ny maha-olona.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT