Sosialy

Madagasikara Mbola marefo ny fiahiana ara-tsosialy ny mpiasa


  • Alarobia 02 Desambra 2020

Gaboraraka ny fiarovana ireo mpiasa tamin` ny lafiny rehetra nandritra ireny fihibohana ireny.

 

 

 

 Lasibatra ny sehatra tsy miankina, hoy Razakaboana Hanitra Fitiavana, tale rejionalin` ny fampanan`asa ary ny lalàna sosialy. Maro ireo tsy fanarahan-dalàna nataon` ireo mpampiasa indrindra teo amin`ny lafiny fiarovana sy fahasalamana. Voasoritra ao anatin` ny lalàna mifehy ny asa anefa ny fiahiana ara-tsosialin` ireo mpiasa ka tsy tokony atao ambany zavatra, hoy izy. Nambarany hatrany fa nahavita fitsirihana 500 isa ny teo anivon` ny ministera tompon`andraikitra nandritra ireny fihibohana ireny ka ny ankamaroan` ireo orinasa dia nahitàna tsy fanarahan-dalana amin`ny endriny maro. Teo amin`ireo orinasa afakaba no tena nahitàna izany. “Na io teo amin` ny fenitra ara-pahasalmaana na teo amin` ny lafiny fitaterana na teo amin`ny fotoana tokony hiasany” hoy ity tale ity. Amin` izao tsy anatin` ny vanim-potoanan` ny fihibohana izao dia ho hamafisina ny fisitrahan` ny mpaisa ny zony ka hisy fepetra horaisina amin`ireo mpampiasa manitsakitsaka ny zon` ny mpiasa, hoy hatrany ny fanazavana.

 

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT