Sosialy

Madagasikara Mbola ezaka be ny fampananan’asa ny tanora


  • Alatsinainy 02 Desambra 2019

‘Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny sabotsy lasa teo ny seraben’ny asa andiany fahatelo tany amin’ny distrikan’i Farafangana faritra Atsimo Atsinanana izay natrehan’ny minisitry ny asa ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy,

 

 

 Gisèle Ramampy. Hetsika natao hanampiana ireo tanora malagasy amin’ny fitadiavana sy ny famoronana asa amin’ny alalan’ny fanofanana sy ny fizarana traikefa ary ny fanomezana ireo torolalana rehetra amin’ireo sehatr’asa maro isankarazany izany. Mbola olana ny fampananan’asa ny tanora eto Madagasikara  ary maro hatrany ny mivenjivenjy sy misehatra amin’ny asa tsy mifanaraka amin’ny filazam-pahaizana. Mifanindry an-dalana amin’izay anefa dia lazaina fa anisan’ny nanome lanja ny asa mendrika ny firenena Malagasy araka ny nambaran’ny Talen’ny biraon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Asa (OIT) eto Madagasikara.  Antony handraisana  anjara amin’ny fivoriana faha-14 amin’ireo firenena 54 mpikambana ao anatin’ny Birao Iraisam-pirenena ho an’ny asa (BIT) aty Afrika. Hofaritana ho amin’io fivoriana an-tampony io ny hoavin’ny asa mendrika ny 10 taona manaraka.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT