Sosialy

Madagasikara Marefo ara-pahasalamana ny ankamaroan’ireo zokiolona


  • Zoma 27 Septambra 2019

Tokony hiomanana ny fahanteran’ny zokiolona mba ho salama sy mavitrika izy ireo.

 

 

Nisy ny atrikasa ho fampahafantarana ireo paikady nasionaly hahatratrarana izany vina izany omaly tetsy Anosy. Ampiririsihana amin’ny alalan’ny fandresen-dahatra ireo tompon’andraikitra mpanapan-kevitra hanaiky sy hihevitra ny zokiolona. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny fahalalana sy ny fahaiza-miainan’ny olona hanana fahanterana mavitrika. Ankoatr’izay dia tafiditra anaty paikady ihany koa ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana sahaza ho an’ny zokiolona. Tanjona ny hahasalama ny zokiolona ary mba tsy hailika sy ho vesatra loatra amin’ny fianakaviana sy ny firenena izy ireo. Nandrafitra ireo paikady izao ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana (OMS). Tsiahivina fa sokajiana ho zokiolona ny 60 taona sy ny mihoatra ary manome 4,6%-n’ny mponina eto Madagasikara araka ny tatitry ny Instat. Nilaza ihany koa ny teo anivon’ny OMS fa amin’ny taona 2020 dia tombanana hihoatra ny zaza latsaky ny 5 taona ny isan’izy ireo.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT