Efa manomboka miakatra kely ny fanjifan’ny Malagasy ny vokatra vita avy amin’ny ronono eto amintsika amin’izao, raha araka ny fanazavan-dRandrianarivelo Niriavotra,
tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa Socolait. Efa mba mahavita mihinana karazam-bokatra vita amin’ny ronono roa isan’andro mantsy ireo tokantrano antonony raha iray monja teo aloha. Karazany telo isan’andro anefa no tokony hohanin’ny olona iray raha tiana ho tomombana tsara ny fahasalamana. Nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ronono ity orinasa iray ity ny sabotsy teo. Fizarana ronono maimaimpoana ho an’ireo olona rehetra tonga niantsena teny amin’ny Jumbo Score Ankorondrano sy Score digue no nentin’izy ireo nanamarihana izany izay nahasarika olona marobe tokoa. Nomarihiny manokana moa fa manana olana izy ireo ankehitriny noho ny fitobak’ireo rononomandry mamy marobe avy any ivelany amin’ny vidiny mora ary nefa tsy tena mampiasa ronono velona tahaka azy ireo akory. Efa nisy moa ny fitarainana nalefan’izy ireo eny amin’ny ANMCC raha araka ny fantatra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.