Sosialy

Madagasikara Manomboka miakatra kely ny fanjifana ronono


  • Alatsinainy 03 Jona 2019

Efa manomboka miakatra kely ny fanjifan’ny Malagasy ny vokatra vita avy amin’ny ronono eto amintsika amin’izao, raha araka ny fanazavan-dRandrianarivelo Niriavotra, tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa Socolait.

 

 

Efa mba mahavita mihinana karazam-bokatra vita amin’ny ronono roa isan’andro mantsy ireo tokantrano antonony raha iray monja teo aloha. Karazany telo isan’andro anefa no tokony hohanin’ny olona iray raha tiana ho tomombana tsara ny fahasalamana. Nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ronono ity orinasa iray ity ny sabotsy teo. Fizarana ronono maimaimpoana ho an’ireo olona rehetra tonga niantsena teny amin’ny Jumbo Score Ankorondrano sy Score digue no nentin’izy ireo nanamarihana izany izay nahasarika olona marobe tokoa. Nomarihiny manokana moa fa manana olana izy ireo ankehitriny noho ny fitobak’ireo rononomandry mamy marobe avy any ivelany amin’ny vidiny mora ary nefa tsy tena mampiasa ronono velona tahaka azy ireo akory. Efa nisy moa ny fitarainana nalefan’izy ireo eny amin’ny ANMCC raha araka ny fantatra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIARAHA-MIASA
  • Zoma 27 Novambra 2026

AMIN'I DJIBOUTI

  • Fampiharana
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

ny lalàna mifehy ny fifaninanana

  • Fiaraha-miasan’ny
  • Alarobia 25 Novambra 2026

METFP sy ny Maraokanina

  • FAHADIOVANA
  • Talata 24 Novambra 2026

SY FIDIOVANA

  • Tantsoroka
  • Talata 24 Novambra 2026

sosialy sy toekarenan’ny

  • Tantsaha
  • Talata 24 Novambra 2026

mpamokatra ovy

Hijery ny tohiny
FTT