Sosialy

Madagasikara Isan’ireo firenena 15 tsy ampy sakafo


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2022

Tafiditra ao anatin’ireo firenena 15 voalohany lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo i Madagasikara, antony hanaovan’ny UNICEF ezaka hisorohana ny fiakaran’ny taham-pahafatesana ho an’ny ankizy ary hanalefahana ny fiantraikany

maharitra manoloana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika. Amin’ny tetibola 1,2 miliara dolara novinavinaina amin’ny drafitr’asa hanafainganana ny fiatrehana ny krizy ara-tsakafo, hisy 23 tapitrisa dolara haompana amin’I Madagasikara manomboka izao hatramin’ny 2023 mba hisorohana amin’ny fiantraikany sy ny fahafatesana ankizy maro. Hatreto mantsy, tombanana ho hatrany amin’ny 500 000 ireo ankizy ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny any Atsimon’i Madagasikara ho an’ity taona ity fotsiny, ka ny 91 000 dia tena ao anatin’ny endrika mampivarahontsana. Nanangana drafitra hoenti-misoroka sy mampihena ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka noho izany ny UNICEF, ny governemanta, ny mpiara-miombon’antoka, izay nampifandrohizina amin’ny tanjona ankampobeny hiadiana amin’ny amin’io loza miseho amin’ny endrika fahantrana lalina io. Mahatratra hatrany amin’ny 577 tapitrisa dolara nanomboka ny jolay teo ny vola narotsak’ireo governemanta, rafitra misahana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ireo mpanolotra fanomezana tsy miankina nentina namaliana ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny ankizy any amin’ireo firenena tena llasibatra. Ny 60% amin’io vola io dia hampiasaina amin’ny fidirana an-tsehatra mivantan’ny UNICEF hisorohana, hitsirihana, ary hiantsorohana ny fikarakarakana ireo ankizy, hitarina amin’ny fahafaha-misitraka sakafo ara-pahasalamana sy ara-pitsaboana, ary vokatra mitondra hery fiarovana izay ilaina indrindra fa ao anatin’ny krizy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT