Sosialy

Madagasikara horakofana ala Atomboka anio any Moramanga


  • Sabotsy 02 Martsa 2019

Hosokafana amin’ny fomba ofisialy anio sabotsy 2 martsa 2019 any Analameva-Antsirinala Moramanga ao amin’ny tanin’ny Fanalamanga ny fambolen-kazo nasionaly, ka ny Filoham-pirenena ankehitriny Andry Rajoelina no hanokatra izany.

 

 Navoitra tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 27 Febroary rahateo ny hanomezana vahana ny fambolen-kazo eto Madagasikara. 40 000Ha isan-taona ny velaran-tany hovolena ala ka tanjona apetraka ny hoe : « Ho rakotra ala i Madagasikara ! ». Fambolen-kazo miisa 500 ka hatramin’ny 1.000 fototra isaky ny hektara no hatao. Tsy maintsy atao ny fambolen-kazo faobe ataon’ireo mpianatra, tafika Malagasy,… Olona miisa 6 tapitrisa no tokony hanatanteraka izany. Tsy maintsy ampiroboroboana ny fampiasana akoran’afo toy ny Ethanol,… ny fampiroboroana ireo orinasa manao asa hazo tsotra toy ny “pins” ary koa ny fanasongadinana ireo asa manodidina ny tevy ala toy ny fikajiana sy fikoloana ny ala na ny « sylviculture », ny famokarana ditin-kazo na « résines », ary ny famokarana holatra na « champignons »,...  Hisy ny fanarafana avy any ivelany ireo voa na ireo zanakazo ahafahantsika manenjika ilay fandrakofana. Hisy ihany koa ny fanaovana fikarohana anaty laboratoara hoentina mampitombo sy manaparitaka ny zanakazo hipaka hatrany amin’ny faritra. Tetibola mitentina 2,5 miliara ariary izay voasoratra ao anaty PIP 2019 no nomena ny minisiteran’ny Tontolo iainana hoentin’izy ireo miady amin’ny doro tanety sy ny fandrakofana ala ny faritra isan-tokony. Ireo no napetraka, dia noho ny fahafantarana fa 100.000 ha isan-taona ny ala rava eto amintsika. Mirefy 8.6 tapitrisa hekitara sisa no misy ala voajanahary, saingy mizarazara be izany tsy toy ny teo aloha izay ahitana ilay atao hoe ala matevina. Izany hoe nihena 45% tao anatin’ny 60 taona ny faritr’ala misy eto Madagasikara. Ny lohahevitra amin’ity taona 2019-2020 ity dia ilay hoe : « Ho rakotra Ala i Madagasikara !».

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT