MADAGASIKARA

Haidina ho 28,6 % ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo


  • Alatsinainy 02 Desambra 2024

Mbola mahatratra 39,8% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ireo ankizy latsaky ny 5 taona eto amintsika.

Ny any amin’ny Faritra Analanjirofo no ahitana azy ireo betsaka indrindra raha araka ny fantatra. Mbola mahatratra 36% -n’ireo ankizy latsaky ny 5 taona mantsy no tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka any an-toerana. 11% kosa ireo lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika raha 24% ireo tsy ampy lanja, tarehimarika azo tamin’ny taona 2021. Anisan’ny antony nisafidianana ity Faritra iray ity nankalazana ny androm-pirenena ho an’ny tsy fanjarian-tsakafo izany afak’omaly Sabotsy faran’ny volana Novambra. Nambaran’ny Profesora Vololona Hanta Marie Daniel, mpandrindra nasionaly eo anivon’ny ofisim-pirenena miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony fa ezahina haidina hatrany amin’ny 28,6% io tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny ankizy lasaky ny 5 taona eto amintsika io. Tsiahivina moa fa nomarihina tamin’ny faran’ny herinandro teo ihany koa ny faha-20 taona nijoroan’ny ofisiam-pirenena miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo na ny ONN.
Pati
Legende : Eto amin’ny Faritra Analanjirofo no betsaka ankizy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo indrindra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT