Mitodika tanteraka any Toamasina ny mason’ny vahoaka Malagasy maneran-tany anio.
Ora sisa no isaina, dia ho raikitra ny lalao goavana hifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy ny elefantan’i Côte d’Ivoire, anio 17 novambra 2020 amin’ny 4ora tolakandro, ora eto an-toerana. Vonona tanteraka ny mpilalao na ara-batana na ara-moraly. Omaly tamin’ny 06 ora hariva no nanao fanazaran-tena farany ny mpilalao Malagasy, raha toa ka tamin’ny 04 ora tolakandro kosa ny Ivorianina. Niompana tamin’ny paikady, fitazonam-baolina,… ny fanazaran-tena ho antsika omaly. Ambony ny herijika ho an’ny Barean’i Madagasikara hanatsimbadihana ny rasa 2-1 tany Côte d’Ivoire ny 12 novambra. Milalao eto amin’ny taniny, ary kianja tsara fa tsy tahaka ny tamin’ny lalao mandroso no ilalaovana, raha ny lafiny bozaka. Afaka manatanteraka ny valin’ady lehibe ny Barea anio satria raha ny lalao 6 nifandrinana nanomboka tany amin’ny taona 1987, dia fandresena 5 no azon’izy ireo, ary ady sahala iray. “Ao anatin’ny “ambiance” sy ny fifantohana ny mpilalao rehetra. Tena ambony dia ambony ny moraly, manantena fandresena, ary hivavaka tsara mba handresy. Mino aho, fa hanohana anay foana ianareo vahoaka na tsy ao anatin’ny kianja aza”, hoy I Voavy Paulin. “Miezaka tsara izahay, hanome fahafaham-po, mitady fandresena ny Malagasy hatolotra ny Malagasy izahay, ary efa zatra ady ny mpilalao,… Tsy manahirana ny fiarahana amin’ny mpilalao vaovao sy ny tranaina na kely aza ny fotoana niarahana tamin’ny fanomanana. Efa tafiditra tsara ao anatin’ny fahaiza-miaraka ny mpilalao”, hoy kosa I Carolus omaly hariva.
TSY NISY NARATRA, HO AVY NY FILOHA
“Miarahaba ny ekipantsika aho tamin’ny lalao mandroso satria tena nanao ezaka, na dia ekipa matanjaka aza ny Ivorianina. Somary nisy lesoka ny fizaram-potoana tamin’iny, nanome ny heriny rehetra ny mpilalao. Nifarana io takariva io ny fanazaran-tena. Mahafaly ny milaza amintsika rehetra fa tsy nisy ny naratra, ny zava-dehibe koa dia hita soritra amin'ny tsirairay ny fahavononana ara-moraly sy ny fiaraha-monina mahafinaritra eo amin'ny samy mpilalao”, hoy ny Mpanazatra Nicolas Dupuis. Ho avy any Toamasina ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina anio, raha ny vaovao hafa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.