MADAGASIKARA

Anisan'ireo firenena ambany fidiram-bola indrindra


  • Zoma 05 Jolay 2024

Sokajian'ny banky iraisam-pirenena anisan'ireo firenena manana otrikarena isam-batan'olona

ambany indrindra i Madagasikara, araka ny fanadihadiana farany nataony ary nivoaka ny 1 jolay 2024 lasa teo. 530 dolara na 2 363 800 ariary isam-batan'olona isan-taona ny vola miditra amin'i Madagasikara na Revenu National Brut. Miray sokajy amin'ireo firenena afrikanina sahirana toa an'i Burundi, Soudan du sud ary Somalie izay tany reraky ny ady an-trano i Madagasikara .Mazava ho azy fa manamafy ny maha firenena mahantracan'i Madagasikara izany ary mametraka fa tena mbola mila ezaka be ny eto raha te hanatratra ilay vola iainana 2,15 dolara na 9590 ariary isam-batan'olona isan'andro. Sokajiana ho sahirana ny 85% n'ny Malagasy . Tsy hoe misy loza voajanahary mahery vaika isan-taona anefa eto, tsy misy ady an-trano, tsy miady amina firenen-kafa i Madagasiy, tsy misy hoe mpitsoa-ponenana na mpifindra monina maro be mibosesika miditra eto. Etsy ankilan'izay, midadasika ny tany no sady mamokatra tsara. Maro an'isa ny tanora eto Madagasikara izany hoe afaka miasa tsara. Tsy fahaiza-mitantana sy kolikoly amin'ny sehatra rehetra no antony mampahantra ny Malagasy fa kosa manome vahana vondron'olona vitsy an'isa.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT