Sosialy

Madagasikara 65 hatramin’ny 67 taona ny taham-pahavelomana


  • Zoma 10 Jona 2022

Faha 13 aty Afrika ankehitriny i Madagasikara raha resaka fananana taham-pahavelomana maharitra no resahana,

 hoy ny avy eo anivon’ny sampan-draharaha tsy miankina amin’ny fanjakana ONG ZIXWAB tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina omaly raha nampahafantatra ny tetikasan’izy ireo mitondra ny lohateny hoe “Zone bleu” mba hananana fomba fiainana feno fahasalamana hahatrarana ny faha 100 taona. manodidina ny 65 hatramin’ny 67 hatreto ny taham-pahaveloman’ny malagasy, hoy ny Dr Yves Raveloson, izay tompo-kevitra amin’ity tetikasa ity. Io, hoy izy, no antotan’isa azonay tany amin’ny INSTAT. I Japon kosa no firenena maro olom-pirenena velona mihoatran’ny 100 taona. Hisy moa ny fampiofanana ara-pahasalamana omen’izy ireo eny amin’ny Espace Manambina Amboditsiry ny 12 hatramin’ny 16 jona izao isaky ny amin’ny 5 ora hariva ka lohahevitra amin’izany ny hoe “100 taona, salama tsara”, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

Legende: Ry zareo ao amin’ny ZIXWAB

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT