Sosialy

Madagasikara 16 tapitrisa no mbola tsy mahazo rano fisotro madio


  • Alakamisy 11 Jona 2020

Nanatanteraka famelabelaran-kevitra narahina adihevitra teny amin’ny Antenimierandoholona ny “WaterAid” omaly 10 jona 2020. Fiaraha-monim-pirenena miandraikitra ny rano ny “WaterAid”

 

 

 

izay vatsian’ny Vondrona Eropeanina vola, ary mifanohana amin’ny “Organisation de la Société Civile pour l’Eau Assainissement-Hygiène”. Nivoitra fa 95%n’ny malagasy no manana olana amin’ny fisitrahana rano ho fanadiovana sy fidiovana. Amin’izao fipariahan’ny valan’aretina izao anefa dia ny fanasàna tànana amin’ny rano sy savony no vahaolana voalohany entina hanakànana izany. Nilaza i Dr Odile Michèle Randriamananjara, Directeur-Pays WaterAid, fa mampanahy tokoa ny lafiny rano eto Madagasikara satria 57%, izany hoe efa ny ho antsasa-manilan’ny mponina no tsy afaka misitraka rano fisotro madio, ny 40%n’ny mponina no voatery manao maloto ankalamanjàna noho izany tsy fahafahana misitraka izany fidiovana izany kanefa ireny dia mivarina any anaty rano fisotron’ny olona. Ny 77%n’ny Malagasy ihany koa dia tsy manana fitaovana ahafahana manasa tànana amin’ny rano sy savony, maherin’ny 90%n’ireo tobim-pahasalamana no tsy manana fitaovana entina hidiovana ary koa sekoly maro no tsy misy rano fisotro madio no tsy manana toerana hanasàna tànana. Nambarany fa 16 tapitrisa ireo Malagasy no tsy manana rano fisotro madio ary 20 tapitrisa no tsy manana toerana fanasàna tànana kanefa na dia eo aza izany dia nisy fihenana tamin’ny teti-bola-panjakàna natokana ho amin’izany ho amin’ity taona 2020 ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT