Sosialy

LUCIANO, 25 taona : Tsy hita popoka efa ho iray volana izao


  • Talata 23 Oktobra 2018

Tsy hita popoka ny tovolahy iray mpianatry ny sekolim-panjakana Cntemad, monina eny Ambohimirary Ampasampito, Ratiarison Maheriniaina Luciano.

 

 

  Ny  zoma 21 septambra lasa teo, tamin’ny 5 ora maraina  izy no niala tao an-tokantranony ary  nilaza ny hamonjy trano fivoahana, raha ny fanazavan-dreniny. Tsy hita intsony anefa izy taorian’izay sady tsy nandrenesam-baovao ihany koa. Zazalahy tsy mahatadidy firy izay i Luciano noho ny aretina mahazo azy. Tsy dia miteny loatra  ihany koa izy raha tsy sitrapony, antony tena mampitebiteby fatratra  ireo nahitany masoandro. Nomarihin’ny renin’i Luciano fa tsy nisy ady na fifandirana teo amin’izy ireo tamin’io andro io. Ny hany nisy dia  izay tsy fahasalamany izay.  Efa nampandre ny fokontany sy ny mpitandro ny filaminana moa izy ireo saingy tsy mbola nisy vaovao tena nivaingana hatreto. Tsiahivina fa mirefy 1m65 i Luciano ary misy tandra napetaka eo amin’ny tarehiny. Afaka mifandray mivantana amin’ny laharan-tariby 034 48 876 09 izay mety mahita an’i Luciano na manam-baovao momba ity zazalahy ity.

 

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT