Sosialy

LTI Alarobia Nitokona ny mpampianatra


  • Alarobia 04 Martsa 2020

Vavahady nikatona, tsy nisy mpianatra anatin`ny efitrano fianarana, nangina ny tokotanin-tsekoly omaly teny amin`ny lisea teknika Alarobia (LTI).

 

 

 

Tsy fantatra ny anton`ny fitokonana hatreto. Ireo mpanao gazety tonga teny an-toerana dia narirarian`ny tompon’andraikitra ka tsy afaka miresaka tamin’ny talen-tsekoly. Ireo mpampianatra indray raha nanontaniana dia nisafidy nangina izy ireo. Nanontaniana raha nisy teritery dia tsy namaly mihitsy. Marihana fa ao anatin`ny telo volana faharoan`ny ivon`ny fampianarana isika izao kanefa dia misedra olana indray ny fampianarana. Raha tsiahivina, ireo mpampianatra mivondrona ao anatin`ny PASEM ihany koa dia nanome 72 ora ny minisiteran`ny fanabeazam-pirenena sy ny fampiofanana ara-teknika noho ny tsy fahaloavana ilay ambiny tambin-karama 50 000 ariary. Raha ny zava-mitranga eo amin`ny lafiny fanabeazana aloha dia mitotongana ny lentan`ny fampianarana ka mila vahaolana haingana sy maharitra.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT