Sosialy

Loza teny amin’ny fasan’ny karana Nitolo-batana ilay mpamily nahafaty mpiambina sarety


  • Talata 13 Aogositra 2019

Lehilahy iray sahabo 27 taona no notanan’ny polisy misahana manokana ny lozam-pifamoivoizana na (BAC) ny zoma lasa teo rehefa avy nandona sarety maromaro teny amin’ny fasan’ny karana ka nahafaty olona iray.

 

 Ny alarobia 07 aogositra  tokony ho tamin’ny 12 ora sasany alina no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana ity raha tsiahivina. Kamiao iray avy any Vontovorona nentina  mpamily haterina any amin’ny orinasa hiasany eny amin’ny By-Pass no nifanena tampoka tamina fiara hafa. Tsy nahatana ny familiana ilay mpamily kamiao ka nifatratra tany amina sarety miisa 06 nipetraka teo amoron-dalana. Lasa nandositra avy hatrany ilay mpamily sy ny fiara nentiny rehefa avy nandona ireo sarety. Fotoana fohy taty aorina dia tonga teny an-toerana ny polisy nizaha ny zava-nitranga. Tamin’izany no nahitana ny vatana mangatsiakana lehilahy iray tao anatin’ny iray tamin’ireo sarety ireo. Fantatra fa mpiambina sy mpitarika sarety eny an-toerana ity tovolahy hita faty ity. Fantatra ihany koa fa natory tao anatin’ilay sarety izy tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza ka dia maty voapotsitra tao. Nokarohina ilay kamiao nahavanon-doza ka ny zoma teo no nitolo-batana teo anivon’ny BAC ilay mpamily. Niaiky ho nandona ireo sarety ireo izy nandritra ny fanadihadiana natao azy. Efa natolotra ny fampanoavana omaly alatsinainy ny lehilahy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT