Sosialy

Loza tao Mahitsy Olona efa-mianaka no voatery naiditra hopitaly


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

Nifanesy tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana nitranga tany amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny.

 

 

 

 Taorian’ilay renim-pianakaviana mpanao gazety namana niaraka tamin’ny vady aman-janany izay tapa-tongotra dia olona efa-mianaka ihany koa no lasibatra ny alahady teo ka voatery naiditra hopitaly avokoa. Teo amin’ny fifaranan’ny faritr’Ankazobe  eo Mahitsy no nitrangan’ny loza. Avy any Ankazobe hihazo an’Antananarivo izy mianakavy kely no nahita kamiao lehibe iray nifanena taminy hiditra ny tetezana dia nijanona naka sisiny. 4 L no fiara nentiny.  Samy nijanona nanaraka azy ireo avokoa ireo fiara taoriany toy ny sprinter…. Tsy nanao toy izay kosa anefa ilay fiara fahatelo raha ny vaovao azo fa avy hatrany dia nandeha mafy ka nitrongy azy ireo avy any aoriana. Fiara mpitondra ireny gaz ireny izy io. Nifanoroka avokoa vokatr’izany ny fiara rehetra. Ho an’ilay 4 L nisy azy efa-mianaka dia voatery nadona tamin’ilay rindrim-bato teo alohany ilay fiara. Nidiran’ny vakim-pitaratra ny mason’izy ireo, tapaka mihitsy ny akihikelin’ilay ankizy iray. Tsy naninona kosa ilay zaza iray nahadimy azy ireo. Ny vaovao farany dia efa nivoaka ny hopitaly izy efa-mianaka. Ho an’ny tompon’ilay fiara nandona ireo fiara rehetra teo alohany, fantatra fa niantohany avokoa ireo naratra sy ny fanarenana ireo fiara simba.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT