Loza mihatra ara-tsakafo sy ara-pahasalamana

Tafakatra 40 matin’ny fahapoizinana tao anatin’ny 10 andro


  • Alarobia 25 Jona 2025

Miitatra ny loza mahatsiravina ateraky ny sakafo tratry ny fahapoizinana. Tao anatin’ny 10 andro,

tafakatra 40 teo ireo namoy ny ainy, ka teto Antananarivo ny 25 vokatr’ilay tranga teny Ambohimalaza izay nambaran’ny Fanjakana fa famosaviana sy fanapoizinana niniana natao izay nanagadrana olona miisa 3 ary misy ireo napetraka ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana. Tranga hafa ny fahafatesana zazalahy iray 12 taona tany Anosiala Manakara vokatry ny fihinana trondro nisy poizina, ny fisiana fianankaviana voapoizin’ny olatra tany Soamanandray distrikan’i Vohibato, ny tranga fahapoizinana nentin’ny godrogodro au chocolat tao Toamasina,… Tsy nitsaha-niakatra ny fahafatesan’olona tamin’ity tranga teto Antananarivo ity satria 11 andro taty aoriana, dia mbola nisy olona 2 namoy ny ainy indray ho an’ny omaly 24 jona. Ny tany Mahajanga dia olona 3 ihany koa no namoy ny ainy herinandro lasa, ka fihinanana mortadelle no antony. Dia io ihany koa fa zava-doza no miseho ao Ambositra satria tafakatra 11 ny olona namoy ny ainy vokatry ny fahapoizinana, ka mortadelle voalaza fa nentina avy any Toamasina no nitera-doza. Tsy misy valaka amin’ny fisehoan-javatra teto Antananarivo ny tao Ambositra izay nisy ankizy iray namoy ny ainy, takarivan’ny alatsinainy teo, tafakatra 6 ny maty omaly maraina, avy eo tonga 11 ny takariva. Mbola misy marary 13, ary nisy ny voatery nentina niakatra aty Antananarivo izay tsy maintsy mamakivaky ny RN7 izany kanefa fantatra ihany koa ny haratsian-dalana izay mananosarotra. Moradelle nentina havana avy any Toamasina moa no voalaza fa nitera-doza tao Ambositra, raha ny tatitra vonjimaika. Olona efa ho efapolo latsaka no namoy ny ainy tao anatin’ny herinandro, an-jatony ny voatery manaraka fitsaboana izay misy maro mbola miady amin’ny fahafatesana. Henjana ny mahazo ireo marary satria ny teto Antananarivo, dia manodidina ny 15 ireo mbola anaty fahasarotana, ka raha ny loharanom-baovao, dia « Trachéotomisée » na nasiana lavaka nampidirana « tuyau » mivantana notatahana eo amin'ny tenda, hiazo ny lalandrivotr'ilay tovovavy tompon'ny tsingerin-taona, mba hahafahany miaina.

AMBANA GOAVANA ARA-TSAKAFO
Tena zava-doza ny fahapoizinana satria 11 andro aty aoriana mbola misy maty sy tsy mahatsiaro tena ho an’ny teto Antananarivo, ary mitovy amin’izay ny tany Ambositra sy ny tao Mahajanga. Niaiky ny Fanjakana fa fahapoizinana ara-tsakafo na « intoxication alimentaire » ny tao Ambositra, raha nolazaina fa famosaviana niniana natao na « empoisonnement » ny tranga teny Ambohimalaza. Lasa miteraka ahiahy aty aoriana rehefa niitatra ny tranga hoe : sao dia mba mitady vokatra sy mitady izay hanilihana ny mpitondra ka namadika ny raharaha any amin’ny hoe : heloka bevava ? Isan’ny nanaitra ihany mantsy ny filazam-baovao nataon’ny RFI ohatra, izay nilaza fa misy loharanom-baovao avy ao amin’ny sehatry ny fahasalamana eto amintsika mandà ny filazan’ny Fanjakana fa fanapoizinana. Toa maneho ihany koa ny fitomboan’ny fahafatesana fa tsy nahita vahaolana tena mahomby hahafahana manavotra ny ain’olona ny Fanjakana,… ka na ny valin’ny nambara fa fitsirihana nolazaina fa nalefa any an-dafy aza hatramin’izao tsy hita izay vokany, tsy tena nivoaka ny fanefitra na « anti-dote ». Ny azo antoka dia tsy voafehy ny fipariahan’ny sakafo mampidi-doza eto, tsy voaaro ny ain’ny Malagasy. Mila fitandremana be, maro no iantefan’ny ahiahy toy ny resaka menaka, lafarinina, charcuterie,…
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT