Loza mahatsiravina!

Rotiky ny afo ny « Tsena Sabotsy Antsirabe »


  • Talata 22 Jolay 2025

Nandravarava sy nampivarahontsana afo! Tapitra tao anatin’ny ora vitsy

ny ezaka sy fiainan’ireo mpivarotra an’arivony tao amin’ny tsena Sabotsy ao Antsirabe. Ny harivan’ny alatsinainy omaly 15 jolay 2025, tokony ho tamin’ny 6 ora sy fahefany no voalaza fa nanomboka nirehitra, nitohy tsy voafehy nandritra ny ora maro, ka nandrava ny ankamaroan’ilay tsena lehibe indrindra ao Vakinankaratra. Raha ny loharanom-baovao avy eny an-toerana dia avy amin’ny faritra fivarotana voankazo no niantombohan’ny firehetana. Nihitatra haingana tamin’ireo fivarotana legioma, trano fivarotana hena, hatramin’ny fivarotana fanaka. Nisy ny filazana fa vokatry ny congélateur nipoaka no nahatonga ny firehetana, saingy tsy mbola nisy fanambarana ofisialy manamafy izany aloa omaly. Nahetsika haingana ireo fitaovana famonoana afo ananan’ny Kaominina sy ny Faritra, anisan’izany ny fiara 2 avy amin’ny mpamonjy voina. Tsy nahafehy avy hatrany ny afo anefa izany noho ny hamafin’ny firehetana sy ny fitohitohizan’ny afo tamin’ireo trano hazo sy fitaovana mora mirehitra. Efa ny antsasaky ny tsena iray manontolo no hotohoto tamin’ny 8ora sy sasany alina tany ho any. Tsy vao sambany no nisy firehetana niseho tao amin’ity tsena ity, saingy ity no tranga lehibe indrindra hatramin’izay. Tsy mbola fantatra mazava ny isan'ny fivarotana may sy ny fatiantoka ara-bola hatreto, saingy fivelomana maro no potika. Marihina fa ny tsena Sabotsy ao Antsirabe dia iray amin’ireo fotodrafitrasa ara-toekarena manan-danja indrindra ho an’ny faritra, ary anisan’ny lehibe indrindra eto Madagasikara. Mirefy maherin’ny 4,5ha eo ho eo ny velarany ary ivon’ny fiainan’ny tanàna, izay mandray mpivarotra mihoatra ny 3.000 isan’andro. Ahitana sokajy fivarotana maro karazana ilay tsena, manomboka amin’ny sakafo, akora ilaina andavanandro, fitafiana, hena, voankazo, hatramin’ny kojakoja an-trano sy fanaka. Miaina ao anaty tebiteby sy horohoro ny mponina sy ny mpivarotra, izay very fananana, very asa, very fivelomana,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT