Olona 9 no namoy ny ainy noho ny fihotsahan’ny vato be sy ny tany teny amin’ny fokontany Tsimialonjafy eny Ambanin’Ampamarinana ny alin’ny sabotsy 19 janoary teo tokony ho tamin`ny 8 ora alina ny sabotsy lasa teo.
Vokatry ny oram-be nikija ka niteraka fahalemen’ny tany no tombanana ho nampihotsaka sy nampikodia ny vato, nanototra ny trano vitsivitsy. Ankoatra ireo izay voakitika fa tsy naninona dia trano efatra no fantatra fa nirodana. Nananosarotra ny fikarohana ireo olona tototra, ka ny sabotsy dia razana iray no tafavoaka. Ny vaovao nampitain’ny zandarimariam-pirenena omaly alahady maraina dia niakatra dimy no maty tamin’io loza io ary telo hafa naratra ka naiditra hopitaly. Nisy aina nafoy tamin’ny fianjeran’ireo trano rava ireo. Nisy ihany koa olona tototra ary mbola nokarohina. Araka ny filazan’ny tompon’andraikitra iray avy amin’ny BNGRC omaly dia tafakatra 9 ireo namoy ainy. Nananosarotra tokoa ny fikarohana sy ny famonjena ireo tra-boina satria dia tao anaty orana no nanaovana izany. Anisan’ireo namoy ny ainy nandritra io loza io ny olona 3 tao anatina ankohonana iray satria samy namoy ny ainy ny ankizy mianadahikely sy ny rainy, fa ny renin’izy ireo no hany tafavoaka velona. Nifarimbona tamin’ny asa famonjena ny ZP, ny mpamonjy voina, ny Tafika malagasy avy ao amin’ny "Corps de Protection Civile" ary ny polisim-pirenena. Tranga iray hafa ihany koa tao amin`ny faritra Andoharano Tsimbazaza, izay nahafatesana olona miisa telo teny Tsimbazaza ny sabotsy alina io ihany koa raha ny fampitam-baovao azo eo anivon`ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Ny fihotsahan’ny tany no niavin’ny loza, izay nianjera tao amin’ireo tokantrano. Mandalo andro ratsy isika eto Madagasikara amin’izao andro fahavaratra izao araka ny nambaran’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro. Tandinindon-doza avokoa ireo toerana ambony toerana, indrindra ireo toerana izay miorina manakaiky hantsana sy ambanin’ny vatobe. Efa nidina ifotony teny an-toerana, ny praiminisitra, ny minisitry ny mponina, ny minisitry ny atitany, ary ny prefen’ny polisy eto Antananarivo Renivohitra, ireo depioten’ny Boriborintany faha-4. Tamin’izany no nanapahana hevitra ny amin’ny handraisana an-tanana avy hatrany ireo niharam-boina. Ho fisorohana ny loza toy izao dia mampilaza ny eto anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny hialan’ireo mponina mipetraka amin’ireny faritra mety hampidi-doza ireny. Tsiahivina fa ny alin’ny 17 febroary 2018, dia efa nisy vatobe nihotsaka tahaka izao teny Ampamarinana, ka tsy latsaky ny 7 no namoy ny ainy tamin’izany. Mankahery ireo niharan-doza sy mirary fiononana ho an’ny fianakavian’ireo namoy havana izahay eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana.
Marigny A. sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.