Sosialy

Loza mahatsiravina Ankizy 4 mianadahy maty tototry ny tany


  • Talata 29 Janoary 2019

Zaza 4 mianadahy no maty tsy tra-drano tototry trano tany Andapa omaly. Nirodana vokatry ny oram-be ny trano nonenany, ka niara-tototra tsy afa-nanavotra aina izy ireo,

 

 

 

 izay 16 taona eo ho eo ny zokiny indrindra ary manodidina ny 8 taona kosa ny zandriny indrindra, raha ny fanampim-baovao. Ankizy avy any ambanivohitra izy ireo no niakatra ao Andapa Sud Vakim-paritra Tsararivotra, izany hoe monina lavitry ny ray aman-dreny, izay any amin’ny toerana ambanivohitr’Andapa. Nifampisokirana tao amin’ity toeram-ponenana ity, saingy efa vatana mangatsiaka no nosokirina tao noho ny hamafin’ny loza. Mirongatra ny loza samihafa amin’izao vaninandro fahavaratra izao, saika manerana ny Nosy. Malemy ny tany sy ny trano noho ny orana sy ny hamandoana, ka izay no mety hitera-doza hampirodana na hampihotsaka azy, tahaka ilay niseho tetsy Tsimialonjafy Andohalo izay namoizana ain’olona am-polony mahery. Hatramin’izao, raha ny tatitry ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza voajanahary dia 21 ireo namoy ny ainy, 18 maty vokatry ny fihotsahan’ny tany, 1 nianjeran’ny trano vokatry ny tondra-drano, ary 2 kosa maty an-drano noho ny haratsian’ny toetr’andro, indrindra fa tamin’ny fisian’ilay andro ratsy Eketsang. Hatramin’ny omaly kosa dia 2 no tsy hita popoka, ka ny iray dia efa tamin’ny sabotsy 26 janoary tany Ikongo, izay natelin’ny reniranon’i Manambolo. Ny iray kosa dia teny Ambohitromby Ambohimangakely, izay lasan’ny rano ny takarivan’ny alahady 27 janoary teo. Tsy mbola fantatra mazava na efa hita na mbola eo am-pikarohana ireo olona ireo hatramin’ny fotoana nanoratana. 8 031 ny olona traboina manerana ny Nosy, ka ny 201 amin’ireo dia vokatry ny fihotsahan’ny tany teto an-drenivohitra, ary vokatry ny tondra-drano kosa ny 7830. Miisa 1603 ny trano fonenana dibo-drano, ary 62 no rava. Tapaka ny lalana maro ary tsy vitsy no potika tanteraka, toa an’Ambilobe-Vohémar izay efa ratsy hatramin’izay, ny lalam-pirenena faha-44 mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka, izay  efa mampijaly.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT