Sosialy

Loza amin’atambo Zaza efa 8 volana an-kibo nariana an-tatatra


  • Alarobia 19 Septambra 2018

Olona sendra nandalo teo amin'ny lakandranon’i Vasta no nahatsikaritra harona sachet miosona ra ka nampandre ny manodidina.

 

 

 

Ny manodidina indray avy eo no nisava ilay harona tamin'ny hazo. Akory ny hatairan’izy ireo nahita fa zazavavy kely izay efa tsy miaina intsony no tao anatin'ilay harona. Nampandre avy hatrany ny tompon’andraikitry ny fokontany Atsimondrova sy Avaradrova ny olona. Ireo indray avy eo no nampandre ny mpitsabo sy ny mpitandro ny filaminana. Taorian'ny fizahana nataon’ny mpitsabo no nahafantarana fa zaza efa niandry andro haterahana ity nisy nanary ity. Efa matetika ahitana tranga tahak'izao ao amin'ireo fokontany roa ao antin'ny kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka. Ny fandrosoana ve no tsy zakan’ny andriambavilanitra ao Alaotra sa noho ny fahasahiranana na tahotry ny fiarahamonina ho afabaraka ? Sa tena zaza tsy niriana fa vokatry ny hadalana na fanolanana ? Helohin’ny lalàna eto Madagasikara anefa ny fanalan-jaza. Raha ny tranga tahaka ity dia efa endrika famonoan’olona ary mampigadra. Ilay hasin’ny aina mihitsy no tsy hajain’ny Malagasy sasany ka mahatonga azy ireo tsy taitra sy tsy rototra akory rehefa mandatsa-dra na mamono olona.

 

Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT