Lonilonim-piarahamonina

Ny lehibe no miady dia ny zaza no « noborkena » tamin’ny sigara


  • Zoma 26 Janoary 2024

Tena mitarika olona iray hanaotao foana ny hatezerana rehefa tsy voafehy.

Zaza tsy manan-tsiny iray vao 2 taona monja ny Talata lasa teo no fantatra fa noborkena Rangahy iray tamin’ny sigara nirehitra ny tarehiny rehefa nifamaly taman’olona tao an-tananany momba ny lakandrano tsentsina ny anaolahy. Tao Ambatotokana Fokontany Antanetibe kaominina ambanivohitr’i Talatamaty no nitrangan’izany ka nihiakiaka nitomany ilay zaza no sady lasa namonjy ireo Ray aman-dReniny. Tsy nijery fotsiny izany zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty fa nisambotra avy hatrany ilay lehilahy nandratra nandratra ity zaza ity. Marihinay etoana fa efa ratra izany hoy izy ireo ary efa herisetra ihany koa ka melohin'ny lalàna. Natao fanadihadiana moa ilay lehilahy taorian’izany. Mikasika ilay lakandrano tsentsina kosa dia samy niezaka ny nanao ny faritra misy azy ny rehetra tao amin’io tanana io hisorohana ny mety hisian’ny tondra-drano amin’izao fotoam-pahavaratra izao.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy sy ilay zaza noborkeny tamin’ny sigara ny tarehiny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT