Sosialy

Lolona mpanasa lamba 8.000 Ar isan-kerinandro ny karama raisiny


  • Alarobia 21 Martsa 2018

10 taona nanasana lamba i Lolona ankehitriny, renim-pianakaviana iray monina eny Avaradrano eny. Hatreto, tsy mbola tena nisitraka ny tsiron’ity asa ity ny tenany, raha araka ny fanazavany fa aretina aza no azo, indrindra ny ririnina.

 

 Rehefa mangatsiaka loatra mantsy ny andro dia tafiditra anaty mason-koditra ny rano ka zary lasa aretina mitaiza ihany koa izay miseho amin’ny endrika tazo.  Io no asa mba nolovainy tamin-dreniny sady hanenjehany ny sakafo hohanin’ireo vady aman-janany isan’andro ka tsy afa-mijanona izy. Manomboka amin’ny 50 Ar no hanasan’i Lolona ny lamba iray ary 3.000 Ar no lafo indrindra. Ny bodofotsy no tena voakasik’ity farany izay nambarany fa tsy hita isan’andro satria mahalana ny olona vao mampanasa. Nomarihin’i Lolona fa 1.000 Ar  isan’andro ny vola azo, indraindray aza tsy misy.  Ny sabotsy vao mba mahatratra 5.000 Ar ny vola azony, miandry ireo akanjo avy entin’ny olona miasa mandritra ny herinandro.

 

Patty


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT