Sosialy

Loka amin’ny hazakaza-tsoavaly Mandany hatrany amin’ny 20.000 Ar isan’andro ny olona iray


  • Alakamisy 06 Febroary 2020

Ankoatra ny fanaovana karatra dia anisan’ny lalao sy loka iray tena mahavariana olona maro, indrindra fa ny lehilahy ny hazakaza-tsoavaly eto amintsika.

 

 

Misy mandany hatrany amin’ny 20.000 Ar isan’andro ny raim-pianakaviana iray mividy ireo karazana karatra 2.000 , 3.000 ary 4.000 Ar, hitsapana  vintana sao dia  mahazo volabe. 100.000 Ar mahery mantsy ny vola farafahakeliny azo avy amin’ny karatra iray amin’izy ireny raha araka ny fanazavana rehefa mipoaka. Tsy vitsy ireo voasarika, indrindra fa ireo  malaina hisasatra sy ireo  teren’ny fahasahiranana. Birao mihitsy no filazan’izy ireo ireny toerana misy ny fanarahana mivantana amin’ny fahitalavitra ny hazakazaka atao any ampita any ary tsy maintsy lalovana isa-maraina sy hanaovana kajikajy amin’ireo soavaly matanjaka sitrany ahay. Amin’ny ankapobeny dia ireo te-hanam-bola tampoka sy leon’ny fahantrana ny ankamaroan’izy ireo. Eo ihany koa anefa ireo tsy te-hiasa mafy nefa  te-hikirakira vola ankoatra ireo  tsy te-hisotro toaka dia manala azy amin’ny kilalao hazakaza-tsoavaly. Am-polony isan’andro ireo lehilahy tonga manatona ‘ny iray amin’ireny ivontoerana ireny ízay tena maniry ohatry ny anana eto an-drenivohitra .

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT